Tranga samihafa

ASAN-JIOLAHY Lasan’ny mpaka an-keriny ny mpivady sy ny zanak’izy ireo iray

Nisehoana tranga fakàna an-keriny indray tany Malaimbandy, afak’omaly alina, tokony tamin’ny 7 ora. Mpivady iray miaraka amin’ny zanak’izy ireo efatra taona monina ao Amborompotsy no nalain’ireo jiolahy efatra nitondra basim-borona an-keriny tao an-tranony. Tsy nahazoam-baovao izy ireo hatramin’ny omaly.

Olona sendra mandalo ao Malaimbandy ireto tra-doza ireo, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Tsy fantatra ny anton’ity fakàna an-keriny ity. Tsy mbola nisy ny fitakiana vola nataon’ireo olon-dratsy. Nisy ny fikarohana ireo jiolahy nataon’ireo zandary any an-toerana, afak’omaly ihany saingy tsy nahitam-bokany izany.