Kolontsaina

Tranompokonolona Analakely Hampiakatra ny fiderana ny “Praise and Worship”

Hifandrimbona hanandratra ny hira fiderana ireo mpanakanto evanjelika maromaro rahampitso manomboka amin’ny 12 ora antoandro etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely. Ireo mpanakanto vao misondrotra no hikalo ny mozika enti-midera izay handraisana an-dry Antsa Praise, Tantely Messenger, Faratiana, Haja Agape. Ho avy hanotrona azy ireo ihany koa ireo tarika mpandihy hampifandimby ny hira, indrindra ny fitoriana ny filazantsara hataon’ny mpitandrina..