Kolontsaina

Piment Café Behoririka Hanao seho takariva i Silo

Mpanakanto manana feo miavaka sy manan-talenta amin’ny fitendrena zavamaneno maro i Silo. Hanafana ny sehatry ny Piment Café Behoririka izy anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Haneho ireo fahaiza-manaony ity mpanakanto ity ary hivelatra amin’ny karazan-kira sy gadona maro ihany koa. Na dia tsy hita firy an-tsehatra intsony aza i Silo dia tsy afa-misaraka aminy hatrany ny tolotra tsy ampoizina eny anatin’ny lanonana eny.