Kolontsaina

No Comment Isoraka Hahazo laka ry Quintet Trad

Seho nentin-drazana no handravaka ny takariva etsy amin’ny No Comment Isoraka rahampitso amin’ny 9 ora alina miaraka amin’ny Quintet Trad. Tarika mbola tsy faheno firy izy ity, nefa ireo kalaza amin’ny mozika sy ny fitendrena no mandrafitra azy. Sady hampiala voly izy ireo no hitaiza ireo tanora amin’ny fankamamiana ny nentin-drazana. Hampahafantarin’izy ireo ny dihy, gadona, mozika nentin-drazana eto Madagasikara. Hanako ao avokoa ny feon-gitara, amponga, valiha sy ny angorodao.