Kolontsaina

Le Glacier Anakely Hiantoka lanonana mafana i Manaly

Miandry ireo mpankafy azy i Manaly etsy amin’ny Le Glacier Anakely anio manomboka amin’ny 9 ora alina. Hafana ny alim-pandihizana hotontosaina, ary gadona maroloko no miandry an’ireo mpilanona eny an-toerana. Na ireo somary milamindamina, na ireo mampitorajofo dia samy hanome tsiro miavaka an’ity alim-pandihizana ity avokoa. Hotetezina an-kira ravahina dihy samihafa ireo fotoana mamy izay nankafizan’ny rehetra an’i Manaly.