Sosialy Tapatapany

Halatra rano

Tsy niakatra Fitsarana ny raharaha anenjehana ny tokantrano iray sarona tamin’ny fivarotana rano an-tsokosoko, teny Miandrarivo Ambanidia. Nisy ny faneken’ny tompon-trano amin’ny fandoavana ny onitra mitentina 5 397 417 ariary noho io halatra io. Ny sampana mpanao fitsirihana ifotony ao anatin’ny Sampandraharaha misahana ny fiarovana ny fidiram-bolan’ny rano (DPRO) eo anivon’ny orinasa Jirama no nahatratra an’ity tokantrano ity tamin’ny fiandohan’izao volana jolay izao.