Kolontsaina

Fintin’ny 40 taona an-tsehatra Hifamotoana amin’ireo mpankafy azy etsy Ampefiloha i Ricky

Feno 40 taona ny nilomanosan’i Olombelo Ricky tao anatin’ny mozika. Ao anatin’ny fampisehoana « Efa elaela izay… » no hamintinan’i Olombelo Ricky ny lanonam-panka- lazana an’ireo ampolony taona maro ireo miaraka amin’ny mpankafy azy etsy amin’ny Plaza Ampefiloha amin’ny 26 jolay ho avy izao. Hiavaka amin’ny “manala azy” izay isan’ny nahafantarana an’i Ricky io fotoana io.

Rakikira iraika ambin’ny folo azy manokana miampy rakikira dimy niarahana tamin’ ireo namana mpanakanto hafa no efa naparitany nandritra an’izay efapolo taona zay. « Ny kanto no atao fitaovana hibeazana sy hampitana an’ireo kolon-tsaina sy fahaiza-miaina amin’ ny taranaka mandimby. Miezaka hatrany mampivoatra ny maha olona eo amin’ny lafiny rehetra ny tarika, izay mandray anjara amin’ny fanentana sy famelabelaran-kevitra hatreny amin’ireo toeram-panofaana ambony samihafa », araka ny fanazavan’i Ricky.

Tsy hiala lavitra amin’ireo fanahy nitondrana ny fampi- sehoana nandraisany anjara hatramin’izay anefa io fihaonana amin’ny 26 jolay io.

Volasoa Randriamanantena