Raharaham-pirenena

Finoana katolika Eveka telo no hanamasina ny Eveka mpanampy vaovao etsy Mahamasina

Raha afaka iray volana ny fotoan-dehibe hisian’ny Lamesa fanosorana ho Eveka ny mompera Andriantsoavina Jean Pascal, eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina, amin’ny alahady 11 aogositra ho avy izao. Eveka telo farafahakeliny no manosotra azy, izay tsy mbola voafaritra hatreto hoe iza avy. Vao tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no nanendren’ny Papa François an’ny mompera Andriantsoavina Jean Pascal ho Eveka mpanampy eto amin’ny Diosezin’Antananarivo. Sady mpampianatra izy no mpanabe tamin’ny sekoly fano­fanana ho pretra, any Antsirabe. Efa pretra nampiandraiketina ny tanora teto amin’ny Diosezin’Antananarivo ihany koa izy.

Mpisorona etsy amin’ny fiangonana katolika Imerinafovoany ny tenany, nanomboka tamin’ny herintaona, no izao nahazo fanendrena vaovao izao. Manam-pahaizana manokana amin’ny teny hebreo sy grika ny mompera Andriantsoavina ary isan’ny nandika amin’ny Teny malagasy ny Baiboly tany Jerosalema izy.