Tranga samihafa

Fanakanan-dalana Lehilahy nandeha sarety maty voatifitra

Notafihin’ny andian-jiolahy ny sarety iray nandalo tany amin’ny kaominina Basibasy, distrikan’i Morombe, tamin’ny talata maraina lasa teo. Namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy ny lehilahy iray anisan’ireo nandeha sarety.

Tsy mbola voafaritra kosa ny entana na ny vola voaroban’ireo olon-dratsy.

Nikasa hamonjy tsena tany Tanandava ireo mpandeha sarety ireo no voatafika teny an-dalana. Teo amina toerana mangingina no
nisehoan’ny asa ratsy. Nosakanan’ny andian-dehilahy nirongo basy sy zava-maranitra ny sarety. Tsy nisy afa-nihetsika ny mpandeha tao anatiny. Tsy nananan’ireo olon-dratsy antra kosa ny fanaperana ny ain’ny lehilahy iray. Efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana.