Tranga samihafa

Fahavoazana mpividy omby Jiolahy nandroba vola an-tapitrisany maro

Niharan’ny fanafihan-jiolahy ireo mpandraharaha mpividy omby monina any amin’ny fokontany Ambonivo­hitra sy Amboatavo samy ao an-tampon-tanànan’Arivonimamo, tamin’ny alin’ny 8 jolay lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy tamin’ny 12 ora.

Mpandraharaha roa no lasibatra ka vola mitentina telo tapitrisa ariary mahery no voalaza fa lasan’ireo mpanafika. Naratra ny iray tamin’ireo mpandraraha.“Nasesin’ny andian-jiolahy ireo trano roa misy ireo mpivarotra omby. Enina ireo mpanafika, araka ny fitantaran’ireo niharam-boina. Nisy tamin’izy ireo no nitondra basy lava sy antsy. Rehefa nahazo vola izy ireo dia lasa nitsoaka nandeha an-tongotra. Fotoana ela taorian’izay vao afaka nampandre mpitandro filaminana ireo voatafika. Nisy zandary tonga teny fa saingy efa tsy nisy hita intsony ireo jiolahy”, hoy ny fitantaran’ny loharanom-baovao iray avy any an-toerana.