Kolontsaina

Bonara-be 67ha Hampanako ny Kilalaky indray i Tsiliva

Na dia lany ho solombavambahoakan’i Morondava aza, tsy manadino ny mozika i Tsiliva. Voalohany amin’ity taona ity no hanafana ny Bonara-Be etsy 67 Ha izy anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Fantatra amin’ny maha mpanjakan’ny kilalaky azy ny lehilahy ary hitondra ny mozika mangotraka miaraka amin’ireo sanganasa rehetra nahafantarana azy hatramin’izay.