Kolontsaina

Fetin’ny mozika Manentana ireo artista haneho ny talentany ny AFT

Misongadina amin’ny fisian’ireo karazam-pety ao aminy ny volona jona. Iray amin’izany, ohatra, ny « Fetin’ny mozika », izay hankalazaina isaky ny 21 jona. Ho fanamari- hana an’io daty io no hanomanan’ireo ivon-toerana ara-kolontsaina, toa ny Alliance française (AFT) Andavamamba hetsika manokana, toy ny isan-taona.

Manentana an’ireo mpanakanto na tarika hanodina rakitsary maneho ny talentany ry zareo mba hahafahana mandefa izany an-tambajotran-tserasera sy amin’ny fahitalavitra.

Tsy misy sokajin-taona, tsy mifidy fiaviana ary tsy anava- hana karazana mozika ny fiantsoana an’ireo mpanao mozika, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Hofantenana kosa anefa izay maharesy lahatra ka tokony homena sehatra mba hizara ny sanganasany amin’io andron’ny 21 jona io. Manatona mivantana eny amin’ny foibe AFT Andavamamba izay na mitsidika ny tranonkala culture-aft@alliancefr.mg

Fotoana iray hahafahan’ireo mpanakanto vao misondrotra maneho ny talentany ny « Fetin’ny mozika ». Maro ny artista lasa fanta-daza ankehitriny vokatry ny fampiakaran’ny AFT azy ireo an-tsehatra, mandritra io fotoana io. Anisan’ireny, ohatra, ry Samoëla sy Dah Mama ary Gangstabab.