Tranga samihafa

Loza tampoka Vehivavy maty latsaka tao anaty lakandrano

Namoy ny ainy tampoka teny an-tsaha ny vehivavy iray, 67 taona, tany Ambatomilona-Fenoarivo Atsimondrano, afak’omaly. Araka ny loharanom-baovao dia latsaka tao anaty lakandrano mampiditra rano ao amin’ny tanimboly ity mpamboly monina eny Madiomanana ity.

“Tokony ho tamin’ny 7 ora maraina no nitrangan’ ny loza. Nibolisatra ilay vehivavy rehefa nandeha tamin’ny sisin’ny lakandrano. Difotra ny vatany iray manontolo. Nisy niantso vonjy mba hanavotra azy, saingy vatana efa tsy nisy aina intsony no hitan’ ireo olona teny amin’ny manodidina”, araka ny fantatra.

Nozahan’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo ny razana, izay nahalalana fa fahafatesana vokatry ny hasemporana tao anaty rano no namono azy.