Tranga samihafa

Fikasian-tanana Mihisatra ny famotorana an’ireo polisy mianaka

Mitohy ny famotorana saingy tsy mbola tonga eny amin’ny Fampanoavana ny valin’ny famotorana an’ireo polisy mianaka izay nikasi-tanana lehilahy iray, teny Ampitatafika, tamin’ny sabotsy 1 jona lasa teo. «Vita ny famotorana an’ireo polisy ireo tao amin’ny foibe fanadihadiana eo anivon’ny Polisim-pirenena (IGPN). Milaza fa manana vavolombelona afaka miaro izy ireo ka mbola eo am-pihainoana izany indray ny mpanao famotorana, amin’izao fotoana izao », hoy fotsiny ny tenin’ny Commissaire principal de police Ainanirina Albert Estel, tale kabinetran’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Voalaza fa tsy notazonina an-tranomaizina kely
ireo polisy mianaka voasaringotra tamin’ity raharaha fikasihan-tanana ity.