Sosialy

Fandikan-dalàna tamin’ny zotra D Mihatra ny sazy ho an’ireo mpamily sy tompona fiara taksibe

Nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana, ny fizahantany ary ny toetrandro (MTTM), teny Anosy,
tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny fanasaziana ireo fiara taksibe fitopolo tratra tsy nanara-dalàna tato anatin’ny telo
herinandro farany, na ny mpamily, na ny tompon’ny fiara hatramin’ny kaoperativa.

Samy nahazo ny sazy sahaza azy izy ireo. Mpamily sy tompona fiara miisa telo amby telopolo no naato tamin’ny asany nandritra ny telo hatramin’ny folo andro. Ahantona tsy mahazo mikarakara na manavao taratasy ara-panjakana mandritra ny folo andro kosa ny kaoperativa misy azy ireo. Fampiatoana ny fiara tsy mahazo manao asa fitaterana mandritra ny telopolo andro indray no mihatra amin’ny tompona fiara.

Mafy ihany koa ny sazy nomena ny mpamily iray, izay voarara tsy mahazo mitondra fiara fitaterana intsony, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT). « Dingana iray ihany izao natao izao fa mitohy ny ezaka mandra-pahazatran’ny rehetra mampiasa ny fomba fiasa sy fomba fisainana vaovao », hoy ny ATT.
Fantatra fa hisy ny fananganana vaomiera ho an’ny fitateram-bahoaka iarahan’ny minisitera, ny ATT, ireo kaomi­nina, ny Zandary sy Polisy sy ireo kaoperativa ary ny solon­tenan’ny mpanjifa.