Sosialy

Famokarana herinaratra Afaka hanafatra solika ny Jirama

Ho voavaha amin’ny ampahany ny olan’ny deles­tazy raha tsy hidangana intsony tokoa ny vidin’ny solika ilain’ny orinasa Jirama amin’ireo milina ampiasainy amin’ny famokarana herinaratra. Araka ny fantatra dia nahazo alalana hanafatra solika any ivelany ny orinasa Jiro sy rano malagasy (Jirama).

Noho ny fahalafosan’ny solika avy amin’ireo kaompanian-tsolika no antony nandraisana an’izao fepetra manokana izao.
Nandritra ny kabariny tamin’ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina no efa nanambaràn’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, an’ity fahazoan-dalana omena ny Jirama ity. Nilaza ho tsy dia manana olana amin’izao fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana izao ireo kaompanian-tsolika lehibe eto amintsika, saingy nanambara kosa fa: « tokony hisy aloha ny fandoavana ny trosan’izy ireo mialoha ny fanafaran’ny Jirama solika ».

 

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra