Tranga samihafa

VONO OLONA Vehivavy, 69 taona, voaolana sady notaperina ny ainy

Tsy namelan’ny olon-dratsy raha tsy tapitra ny ain’i Maevasoa, vehivavy iray 69 taona tany Betaimboay-Kandreho, tamin’ny sabotsy teo. Tsy vitan’ny novonoina ho faty izy, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandarimaria any an-toerana, fa mbola voavetaveta ihany koa. Vely hazo teo amin’ny tarehiny no ahiana ho tena nitarika ny fahafatesany.

Tokony tamin’ny 6 ora sy fahefany hariva tamin’ny sabotsy lasa teo no nitrangan’ity zava-doza ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpitsabo sy ny mpitandro filaminana raha vao naheno ny zava-misy. Olona roa no voatonona ho namono an’io vehivavy io.

Fantatra ireo olona ireo ary efa eo am-pikarohana azy ny zandary any Kandreho.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra