Tapatapany Tranga samihafa

Tra-tehaka i Banga

Voasambotry ny zandary eny Ambohimangakely i Banga. Voalaza fa nandray anjara tamin’ny fanafihana tao amin’ny tokantrano iray tao Tsarahasina-Ambohimangakely, tamin’ny alin’ny 10 jona, io lehilahy io. Vola dimy alina sy iray hetsy ariary niaraka tamin’ny solosaina iray, fakan-tsary iray no lasan’izy ireo tamin’ity fanafihana ity.