Tranga samihafa

FANAFIHANA MPIZAHA TANY Teratany maro nitsoaka nanavo-tena tany anaty ala

Soa fa tsy nisy naratra ireto teratany vahiny nandeha tamin’ny fiara tsy mataho-dalana miisa dimy tany Ambalasatra, lalana mankany amin’ny Tsingin’i Bemaraha, afak’omaly. Notafihin’ny dahalo ny fiara nitondra an’ireo mpizaha tany ireo. Nitsoaka tany anaty ala avy hatrany izy ireo, vantany vao niseho ny fanafihana. Tsy nisy hita intsony kosa ny entan-dry zareo fa lasan’ireo jiolahy avokoa.
Maneho ny hakiviany amin’izao tranga mampalahelo izao ireo mponina manodidina ny Tsingy satria araka ny voalazan’ izy ireo dia mampihemotra ny mpizaha tany ny tsy fandriampahalemana toy izao. Vao tamin’ny sabotsy lasa teo no namoizan’ny mpamily mpitari-dalana iray ny ainy, rehefa voatifitry ny jiolahy tamin’ny lalana mankany Maintirano tao Morafenobe. Zandary efatra no naratra, tamin’io, isan’ireo mpandeha tamin’ny fiara tsy mataho-dalana voatafika. Ny roa tamin’izy ireo no voa mafy ary nentina notsaboina maika aty an-drenivohitra.

Misy ny hetsika manokana hikarohana ireo jiolahy manakan-dalana ataon’ireo zandary marobe avy any Morafenobe sy Tsiroanomandidy, taorian’ity tranga ity.