Tranga samihafa

FAKANA AN-KERINY Karàna iray lasan’ny jiolahy mitondra « kalachnikov »

Mateti-piavy sy miha mahazo vahana. Vao mainka mihombo ny fakàna an-keriny Karàna, tato anatin’ny andro vitsy. Lasan’ny jiolahy tsy
latsaky ny efatra, mitondra basy mahery vaika “kalachnikov” indray i Moustafa Hiridjee, teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly hariva tokony tamin’ny 5 ora sy sasany.

Tale jeneraly lefitry ny orinasa “Ocean Trade” io Karàna io sady filohan’ny fikambanan’ireo orinasa lehibe mpivarotra fiara-
kodia. Nandeha tamin’ny fiara tsy mataho-dalana marika “Mazda” miloko fotsy vaovao be i Moustafa Hiridjee. Araka ny loha-
ranom-baovao dia tsy nisy fanoherana tamin’ny fakan’ ireo jiolahy ity Karàna ity tao anaty fiara.

Avy hatrany dia noendahin’izy ireo teo ambony fiara izy ary dia nanaraka moramora. Tsy fantatra ny fiara nitondrana azy taorian’izay. Toerana mangingina rahateo teny amin’ny lalam-baovao no nisian’ity tranga ity.

Fanintelony izany izao ny fakàna an-keriny Karàna teto an-drenivohitra tato anatin’ny andro vitsy. Ny iray teny Ampasampito, tamin’ny 24 mey lasa teo. Soa fa efa votsotra ary salama tsara io olona io. Loharanom-baovao teo anivon’ireo mpitandro filaminana no nahafantarana fa ahiana ho nisy ny fandoavam-bola ho sandan’ny famotsorana azy. Hatramin’ny omaly kosa, tsy fantatra izay misy ilay Karàna nisy naka an-keriny teny Andakana, tamin’ny 3 jona. Ilay tany Toamasina tompon’ ny Business Center, ihany koa no nisy naka an-keriny tamin’ny zoma lasa teo, talohan’izao tranga farany tetsy Soavimasoandro izao.