Tranga samihafa

FAHAFATESANA MPANARA-MASO TAKSIBE Naiditra eny Antanimora ireo roa lahy namono lehilahy teny Itaosy

Natolotra ny Fitsarana, omaly, ireo roa lahy voasambotry ny zandary eny Itaosy voarohirohy tamin’ny famonoana ho faty lehilahy iray, tamin’ny 27 mey lasa teo. Avy hatrany dia naterina teny amin’ny fonjan’Antanimora izy ireo, taorian’izay, araka ny fanapahan-kevitry ny Fampanoavana. Nilaza ny mpanao famotorana fa niaiky ny heloka sy nitantara ny antony nanaovan’izy ireo an’io asa ratsy sy vono olona io izy roa lahy ireo.

Naheno loharanom-baovao izahay, taorian’ny fanadihadiana fa “lehilahy roa no ahiana namono ilay mpanara-maso taksibe an’ny zotra 133 mampitohy an’Itaosy sy ny renivohitra”. “Nosamborina izy roa lahy ireo, avy eo natao famotorana. Niaiky izy ireo fa namono nahafaty an’ilay lehilahy. Fifamaliana tao amin’ny trano fisotroana no nitarika tamin’izao fahafatesan’ io mpanara-maso ny fivezivezen’ireo taksibe io izao, araka ny fitantaran’izy ireo. Rehefa hitany fa maty voatsindrona antsy itsy farany dia navelan’izy ireo teo”, hoy ny fanazavana avy amin’ny zandarimariam-pirenena eny Itaosy.