Ny zanany lahy, 21 taona, ihany no voarohirohy ho namono nahafaty ny vehivavy iray, 50 taona, tany Morondava, tamin’ny talata 5 mey lasa teo. Voasambotry ny polisy, tamin’ny sabotsy lasa teo, io tovolahy io.
Tsy tana ny ain’itsy renimpianakaviana, na dia noezahana notsaboina teny amin’ny hopitaly aza, taorian’ny ratra vokatry ny tsindron’antsy, tamin’ny harivan’ny talata 5 mey. Mbola afaka nitantara ny zavatra nahazo azy izy, talohan’ny namoizany ny ainy.
« Notantarainy fa ny zanany lahy ihany no namono azy. Tsy nisy fifamaliana na disadisa teo amin’izy mianaka fa avy hatrany dia notsindronin’ilay tovolahy tamin’ny antsy ny lamosin’ny reniny. Tsy hita popoka izy, taorian’izay », araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy.
Nanomboka nikaroka an’ity zanaka lahy voarohirohy ny mpitandro ny filaminana. Nifanehitra tamin’ny andiandehilahy mpifoka rongony izy ireo, ary taorian’izay ihany koa no nahatrarana an’io tovolahy io. Isan’ireo noentina natao famotorana, tetsy an-daniny, ireo tratra nifoka rongony.
Hanome hevitra