Faritra

Halatr’omby any Bongolava Ben’ny tanana naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika any Tsiroanomandidy ny Ben’ny tanànan’ny kaomina Ankerana Avaratra any amin’ny faritra Bongolava, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Voampanga ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatr’omby sy fanaovana herisetra sy hetraketraka tamin’olona izy. Olona roa farafahakeliny no nitory an’io olom-boafidy io.

Tsy nipoitra

Niainga tamin’ny famotorana nataon’ny zandary tao amin’ny Vondron-tobim-pileovana ao Tsiroanomandidy ny raharaha. « Nisy taratasy avy any amin’ny Fitsarana mampanao famotorana sy mampanolotra an’io Ben’ny tanàna io, tamin’ny faran’ny volana avrily teo. Natolotra ny Fitsarana izy, tamin’ny talata lasa teo. Nozarain’ny Fitsarana roa samy hafa ny taratasin’ady, taorian’izay, ka firaisana tsikombakomba amin’ny halatr’omby ny voalohany ary herisetra sy hetraketraka ny faharoa », hoy ny loharanombaovao akaiky ny mpanao famotorana.

Fantatra fa natolotra ny Fitsarana indray izy, tamin’ny zoma, taorian’ny famotorana dingana voalohany, saingy tsy nipoitra ilay olom-boafidy. « Namoaka didy mampisambotra karazany roa samy hafa indray ny mpitsara mpanao famotorana sy ny Fampanoavana. Nanatona ny zandarimaria ity Ben’ny tanàna, tamin’ny sabotsy. Natolotra ny Fitsarana avy hatrany izy taorian’ny famaranana ny pitsopitsony tamin’ny fakàna am-bavany, ary izao niafara tamin’ny fampidirana azy amponja izao », hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Hatao, rahampitso, ny fotoam-pitsarana ny raharaha herisetra sy hetraketraka. Momba ny raharaha halatr’ omby indray dia handalo mpitsara mpanao famotorana ilay Ben’ny tanàna, anio.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao