Zavakanto

FIFEHEZANA HAITENY VAHINY Herin’ny teny frantsay ny eto Madagasikara

Tafiditra tamin’ny fankalazana ny “Herinandron’ny teny frantsay sy ny frankôfônia”. Tontosa tamin’ny
tolakandron’ny alarobia 9 mey lasa teo ny lanonam-panolorana amboara tamin’ny fifaninanana “Soratononina frankôfonia” nokarakarain’ny Alliance française eto Antananarivo (Aft) sy ny fikambanana Hetsika miaraka amin’ny vondrona iraisam-pirenen’ny frankôfônia (OIF).Nahitana sokajy telo ny fifaninanana ka mpifaninana dimy isaky ny sokajy no notolorana loka. Ralaiharisoa Mandimby Itokiana no nitana ny laharana voalohany tao amin’ny sokajy zandriny (10 ka hatramin’ny 14 taona), Ratsimatahomanana Fehizoron’ny Mandresy no namiratra tao amin’ny sokajy tanora (15 ka hatramin’ny 18 taona) ary Ramanijafy Hortense Liliabe Nirina no nisongadina teo amin’ny sokajy zokiny (19 taona no mihoatra). Amin’ny maha soratononina azy, dia notakiana tamin’ireo mpifaninana ny fanoratana ny teny frantsay manaraka ny tsipelina tsy misy diso. Raha ny fahaizan’ ireo mpandray anjara rehetra no jerena dia anisan’ny herin’ny teny frantsay aty amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara, araka ny nambaran’ny mpikarakara.

Fredo Rakotoarisoa

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra