Zavakanto

Fiainana mpiara-dia amina mpanakanto I Jean Bà, na ilay olon-tsotra tao ambadiky ny tarika Mahaleo foana

Tsy misy tsy mahalala an’i Dadah, Fafah, Dama… avy ao amin’ny tarika Mahaleo ny Malagasy eto an-tanindrazana hatrany ampitan-dranomasina. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana kosa anefa ny hamaroan’ny olona mety mahafantatra an’i Jean Bà, izay tsy iza fa ny mpitahiry sy mpikarakara ny lafiny fiakarana an-tsehatry ny tarika Mahaleo. Tany amin’ny taona 1972 izy no efa mpanara-dia sy mpankafy ny tarika Mahaleo. Nanapa-kevitra ny handray azy ho mpitahiry ny mombamomba ny tarika kosa ry Dadah sy ny tariny tamin’ny taona 1991 rehefa tsikaritr’izy ireo fa havanana amin’izany i Jean Baptiste Razafimamonjy. Nanomboka teo nifampizara ny soa sy ny ratsy ary nifampihinana ny manta sy masaka tamin’ny tarika i Jean Bà. “Nitondra irony cahier de chant irony aho taloha ary manaraka foana ny tarika tamin’izay seho nataony. Voaray ho isan’ireo olona manampy ny tarika aho, ny taona 1991, rehefa nanangana “fan’s club” izahay. Nankasitrahan’ireo mpikambana ny zavatra nataoko. Nanomboka teo ihany koa vao raikitra ho mpitahiry ny mikasika ny tarika aho na “archiviste”, hoy i Jean Bà mitantara. Mananika ny faha-65 taonany i Jean Bà ankehitriny. Manambady aman-janaka izy. Nolazainy fa tsy manana olana amin’ny fianakaviany izy na dia manaraka ny tarika foana aza. “Teny am-piandohana no somary nisy ny fifamaliana teo amiko sy ny vadiko fa nanaiky ihany izy, nony taty aoriana. Sady efa lasa asako rahateo koa ny mitahiry
ny mombamomba ny tarika”, hoy izy.

Fanavotana aina
Fahatsiarovana sy fiainana maro no hitan’i Jean Bà hatramin’izay efa-polo taona mahery niarahany tamin’ny tarika Mahaleo izay. Tao ny tsara sy ny ratsy. Tsy ho afaka ao an-dohany kosa ny fanampian’ny tarika Mahaleo azy, tamin’ny taona 1991. “Nisy fampisehoana fankalazana ny faha-20 taona an-tsehatry ny tarika tamin’izay. Nipotsaka tampoka ny taovako na “hernie” ka tsy maintsy nampidirina hopitaly aho. Feno avokoa anefa ny efitrano ka
i Nono mihitsy tamin’izay no niditra an-tsehatra nikarakara ahy. Nisy aretina hafa nahazo ahy koa, ny taona 2009, izay nilaina vola. Nanapa-kevitra ny nanao seho tolo-tanana ho ahy ny tarika. Vita soa aman-tsara tamin’izay ny fitsaboana ahy. Raha fintinina dia efa indroa aho no saika lasan-ko razana raha tsy teo ny tarika Mahaleo”, hoy izy mitanisa ny fanampiana azony avy amin-dry Dama sy ny ekipany. Sombiny amin’ireo zava-tsoa nomen’
ny tarika azy ihany anefa izany rehetra izany fa mbola maro ny zavatra nifampizaran’ny roa tonta.

Vavolombelon’ny tarika Mahaleo
Tandra vadin-koditra amin’ny tantaran’ny tarika Mahaleo ny fisian’i Jean Baptiste Rafimamonjy. Azo lazaina ho tsangambato velon-dry Dama sy ireo namany ity mpikirakira ny arsivan’ny tarika ity. «Lalim-paka mihitsy ny fitiavana ny tarika Mahaleo, satria maneho ny tena maha mpinamana sy ny firahalahiana ary ny fitiavana amin’ny endriny rehetra izy ireo. Ny ankamaroan’ny hiran’ny tarika henoko dia mamoha ny fitiavan-tanindrazana tato amiko. Toy ny mpankafy mavitrika, manao izay azo atao rehetra mba hahazoana ny sonia sy ny mombamomba ny tarika no tena nahafantaran’ny maro ahy tany am-boalohany. Niha nahery vaika ny fankafizako ny tarika Mahaleo rehefa nandroso teny ny fotoana. Vao rakotra ny sonian’ny mpikambana tsirairay ny kahie-ko dia nifoha tato amiko ny faniriana hanangona ny zava-drehetra mikasika ny tarika», hoy ny fitantaran’i Jean Bà.

Notsiahiviny fa anarana niantsoan’ireo mpiandraikitra ny fiambenana ny sehon’ny Mahaleo tamin’ny fotoana azy ny hoe «ilay lehilahy miaraka amin’ny Baiboly», noho ny fitondrana an’io kahie io any amin’izay misy ny tarika. «Nataoko ny fomba rehetra nahazoana ny mombamomba ny mpikambana rehetra tao amin’ny tarika. Ny fampisehoana rehetra dia fahafahana tsy azo nidifiana fotsiny», hoy izy.

Sary, akanjo, satroka, sora-baventy, takelaka an-gazety, peta-drindrina hatramin’ny tapakilam-pidirana amina fampisehoan’ny tarika mihitsy aza dia notazonin’i Jean Bà avokoa, hatramin’ny taona 80 ka mandraka ankehitriny, mba ho an’ny tahiriny manokana. «Tsy maintsy nitana ny zava-drehetra aho», hoy izy. Tamin’izany fomba izany rahateo no nahatonga azy ho lasa mpiandraikitra ny angon-tahirin’ny tarika Mahaleo.

11 taona nanadiovana rà
Anisan’ireo olona miady amin’ny aretin’ny voa i Jean Baptiste Razafimamonjy. Efa ho iraika ambin’ny folo taona ny lehilahy no manaraka fitsaboana amin’ny fanadiovana rà na manao “dyalise” eny amin’ny hopitaly tsy miankina lehibe iray eto Antananarivo.
Tamin’ny taona 2007 aho no nanomboka fantatra fa marary voa. “Tsy maintsy manadio rà intelo isan-kerinandro aho, ny talata, alakamisy sy ny sabotsy. Lafo vidy tokoa izany fitsaboana izany fa tombony ho ahy manokana ny naha mpiasam-panjakana ahy satria iantohana ny lany rehetra amin’izany”, hoy i Jean Bà manazava.
Nohamafisiny ihany koa anefa fa manome hery azy iantrehany an’izany aretina izany ny tarika Mahaleo. “Ankoatra ny fanosehan’ny fianakaviana, dia mitondra hery ara-moraly ho ahy ny tarika. Mahatsiaro tena aho fa mbola maro ny asa tsy vitako ka izay no mbola maha velona ahy. Hiaraka hankalaza ny jobily volamen’ny tarika amin’ny taona 2022
indray izao no tanjoko sy mba faniriako manaraka”, hoy ihany izy milaza ny faniriany.

Takona
Toy ny rano sy vary tokoa ny fifandraisana eo amin’ny tarika Mahaleo sy i Jean Bà. Na tsy tazana eny an-tsehatra aza itsy farany rehefa manao fampisehoana ry Dama, dia anisan’ny singa fototra mahamasaka ny ketrika sy ny fandrindrana ny tarika ny lehilahy.
Dimy amby efapolo taona niarahana niriaria ny roa tonta, ankehitriny, kanefa mbola vitsy no tena mahafantatra ny fisiany. Maro ny dingana sy sedra efa nolalovan’izy ireo, nandritra izay fotoana ela izay. Nifandimby tao ny mamy sy ny mangidy, ny tsara sy ny ratsy. “Tsy mampaninona ahy ilay tsy mioitra miaraka amin’ny tarika. Ankoatra ny fanangonana ny tahiry mikasika ny tarika dia miandraikitra ny fandaminana sy ny fikarakarana ny mpikambana any an-dalantsara no asako ka tsy misy ny olana”, hoy izy manazava.
Nohamarihan’i Jean Bà fa efa nisy fotoana nampahafantaran’i Dama azy teny ambo­nin’ny sehatra. Efa mihamaro koa ny mahafantatra azy amin’ny alalan’ny laha­tsoratra an-gazety samihafa.