Zavakanto

FAMPISEHOANA EVANJELIKA Manomana seho goavana ny Tana Gospel Choir

Anjaran’ny mpankafy gadona evanjelika gospel indray izao. Naparitaky ny tarika Tana Gospel Choir nanomboka omaly tao amin’ny tambazotra an-tserasera “Facebook” fa hihaona amin’ireo mpankafy azy indray ny tarika. Seho goavana no homaniny amin’izany satria etsy amin’ny lapan’ny Kolon- tsaina sy ny fanatanjahan- tena Mahamasina mihitsy izy ireo no hifampitaona amin’ireo mpankafy azy. Mbola fanomanana ihany hatreto no nozarain’ny tarika tao amin’ny “facebook” fa tsy mbola voafetra ny fotoana sy ny ora hanatanterahana izany. Fantatra kosa anefa fa ho goavana ny hetsika satria ry zareo avy ao amin’ny Ivenco no handray an-tanana ny fikarakarana ny hetsika. Ny Ivenco izay efa manomboka mametraka ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny fanomanana seho ary noporofoiny nandritra ilay sehon’ny Mage 4 tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahan- tena ny volana lasa teo. Azo antenaina noho izany fa hiavaka sy hanome aim-panahy ireo mpankafy azy indray ity fampisehoana ity.

Sitraka Rakotobe

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra