Tapatapany

Rongony mavesatra

Saron’ny polisy tampoka ny lehilahy iray nahitana vovo-drongony mahery vaika “heroïne”, teny Tanjombato, tamin’ny harivan’ny 8 marsa la teo. Polisy handeha hamonjy fodiana no nifanena tampoka tamin’ny roa lahy. Hita ho kaodikaody sy hafahafa fihetsika izy roa lahy vantany vao nahita an’iretsy polisy no sady nitsoaka. Nosamborina izy ireo saingy ny iray ihany no tratra. Tamin’ny fisavana azy no nahitana an’iretsy rongony mavesatra.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra