Kolontsaina

Hetsika « Mizara foa » Hihaona etsy Analakely ireo mpahay saripika sy horonantsary

Atambatra ao anaty habaka iray ny saripika sy ny horonantsary. Hifampidinika momba ny ho avin’ireto sehatra roa ireto ny matihanina malagasy maromaro, amin’ny 18 febroary 2020, etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely. Fifanakalozan-kevitra arahina fandefasana horonantsary fanadihahiana no isan’ny handrafitra ny fandaharam-potoana.

Tafiditra ao amin’ny hetsika  fampiroboroboana ny zava-kanto malagasy, izay haharitra hatramin’ny 14 marsa, ary karakaraina miaraka amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny oniversite Paris 1 Panthéon-Sorbonne ary  ny fikambanana Mitady ny tsy hita izany fihaonana izany.

« Sary sy sinema : Dian’ny mpanakanto eto Madagasikara », no lohahevitra hampitondraina ny fifanakalozana. Samy hanolotra ny traikefany ireo mpandray anjara, hahitana an-dry Malala Andrialavidrazana,  Raoto Andriamanambe  avy ao amin’ny Indigo,  Rijasolo, mpaka saripika matihanina, Hobisoa Raininoro avy ao amin’ny  Fondation H ary Guillaume Robillard. Mbola misy ireo mpandray anjara vahiny  andrasana avy any amin’ny oniversite Paris 1 Panthéon-Sorbonne.

Mifanindran-dalana amin’ny famelabelaran-kevitra kosa ny fampirantiana saripika mitety ivon-toerana, izay hanomboka amin’ny 17 febroary hatramin’ny 14 marsa, eny amin’ny « La Maison »Ambatomandeha Fokontany Betsizaraina sy etsy amin’ny ADMC/CRAAM Ankatso. Ny fonenana any amin’ ireo toerana miavaka na voatokana no hasehon-dry  Avana Rakotomanana, Flavio Tarquinio, Malala Andrialavidrazana ary Rijasolo an-tsary.

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra

  • Manahoana tompoko Volasoa Randriamanantena,

    Misaotra betsaka amin’ny lahatsoratra. Rahampitso ny vernissagen’ny fampiratianay dia tia inviter anao izahay.
    Manomboka amin’ny 12h any Ambotomandeha (fkt Betsizaraina) dia misy vernissage faharoa amin’ny 17h any ADMC-CRAAM (Oniversiten’Antananarivo).

    Ho faly izahay mahita anao rahampitso.

    Bien cordialement,
    Miangaly, Miarifidy ary Dounia

Loham-baovao