Kolontsaina

Fanavaozana sanganasa Haverina hatonta ireo boky nosoratan’i Dox

Asa soratra anisan’ny malaza sady mbola maro mpamaky ny diam-penin’i Dox. Tsy vitsy amin’ireo sanganasany no tafiditra any anaty fandaharam-pianaran’ny ankizy. Tsy dia tazana loatra eny amin’ny toeram-pivarotana boky intsony ny  asa soratra rehetra novokariny kanefa maro mpitady, araka ny nambaran’i Hanitr’Ony, zafikelin’i Dox. Mipetraka ho sakana ny fahasarotana sy ny fandaniana amin’ny amin’ny fanontana vaovao. Manana tetikasa ny hanontana indray an’ireo bokin’i Dox, efa nivoka sy ireo mbola tsy nivoaka mihitsy ry zareo, amin’izao fotoana izao.

Tsy ho toy ny mahazatra io fanontana vaovao io fa atao amin’ny alalan’ny famandrihana mialoha. Tsara noho izany ny manao famandrihana aloha ho an’ireo te hahazo ny boky ka rehefa maromaro izany dia hatao ny fanontana azy. Nomarihin’ireo taranak’ity mpanoratra andrarezina ity fa maro ireo mitady ny asa soratr’i Dox, eto an-tanindrazana sy any ivelany. Tsy lany mamy ny lova napetrany ary miampita amin’ny taranaka mifandimby na efa tsy eo intsony aza ny mpanoratra.