Fanatanjahantena

Basket-ball – Africa league Miresaka amin’ireo mpilalao vahiny maro ny GNBC

Roa herinandro niverenana amin’ny fampivondronana ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny taranja basket-ball na ny GNBC. Eo am-panomanana ny dingana manaraka amin’ny Basket Africa League (BAL), amin’ny 12 hatramin’ny 15 marsa 2020 any Dakara, izy ireo. Tsara ny vokatra teo aloha kanefa mitady ny tsara kokoa hatrany ny GNBC. Eo am-piresahana amin’ireo mpilalao vahiny ny ekipa, amin’izao fotoana izao.

“Mbola tsy fantatra mazava ireo mpilalao hoentina any Dakara hatreto.  Mbola miresaka amin’ireo mpilalao vahiny maro ny mpitantana », hoy ny fanazavan-dRaharidera Lova, mpanazatra ny GNBC.

Ekipa roa ambin’ny folo no hifanandrina amin’io dingana manaraka io. Nilaza itsy teknisianina itsy fa “mbola tsy nivoaka ny antsipirian’ny lalao. Fantatra kosa fa hizara vondrona roa izahay. Ho tafakatra amin’ny dingana manaraka na ny “playoff” ireo ekipa valo, raha hihintsana ireo firenena roa farany isaky ny vondrona”.