Fanatanjahantena

Baolina kitra – CAN 2021 “Tsara noho ny tany Ejypta ny Barea nasiana fanovana”, hoy i Nicolas Dupuis

Mandroso ny fotoana. Eo am-panamboarana tsikelikely ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny taranja baolina kitra na ny Barea hanohy ny dingana fifanintsanana amin’ny CAN 2021, i Nicolas Dupuis, mpanazatra nasionaly. Nifantoka tamin’ny fanatanorana ny ekipa itsy mpanazatra ny Barea itsy. Nilaza izy fa “tsara ny vokatra navoakan’ireo mpilalao tamin’ny CAN 2019 sy ireo nanomboka ny dingana fifanintsanana amin’ny taona 2021. Manana ny maha izy azy ihany koa anefa ireo vao nampidirina. Tsara kokoa noho ireo nandeha tany Ejypta ity ekipa ity raha fintinina”.

Amin’ny volana marsa ny fifandonana  manaraka amin’i Côte d’Ivoire. Na dia eo aza ny fanatsarana ny ekipam-pirenena malagasy dia nanambara i Nicolas Dupuis fa “tsy ho mora ny handresy an’i Côte d’Ivoire. Matoky ny ekipako kosa aho noho ny fahaizan’izy ireo miara-milalao”.