Fanatanjahantena

Tolona isan-tarika Nahavita pao-droa teo amin’ ny Seniors ny Cosfa

Nanjakazaka teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja tolona isan-tarika ireo mpitolona avy eto Analamanga, tamin’ireo solontenan’ny ligim-paritra efatra nifaninana teny amin’ny kianja mitafon’ Ankorondrano, ny faran’ny herinandro lasa teo. Isan’ireo klioba nisongadina ny ekipan’ny Miaramila. Nahoron’ireo mpitolon’ny Cosfa ny medaly volamena, teo amin’ny sokajy seniors lahy (Bienvenu, Julien, Arsène, Bali, Nambonintsoa, Antonio, Ricky ary Elvis) sy ny sokajy seniors vavy (Hanitra, Ravaka, Emma ary Talisoa).
Ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena (Cospn) no nitana ny laharana faharoa, raha ny 3FB kosa no fahatelo tamin’ ireo sokajy seniors lahy sy vehivavy.

Teo amin’ny sokajy cadet sy juniors kosa no nanjakazaka ny ekipan’ny mini-siteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny Pôlisim-pirenena kosa no naka ny medaly volamena roa teo amin’ny sokajy cadette sy juniors vehivavy.