Sosialy Tapatapany

Fotodrafitrasam-pampianarana

Miisa valo amby enimpolo ireo tranon-tsekoly vaovao na nohatsaraina ao anatin’ ny Dren Analanjirofo, izay notokanan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika sy araka asa, Volahaingo Marie Thérèse, ny sabotsy lasa teo. Tranon-tsekoly manara-penitra ireto naorina ireo satria natokana ho an’ireo faritra izay matetika lalovan’ny rivo-doza. Nanentana ireo mpianatra sy ireo mpampianatra mba hitandro ireo fotodrafitrasa ireo ny minisitra nandritra ny fandalovany tany amin’ireo sekoly ireo. Nanamafy ny minisitra fa an-jatony ireo tranon-tsekoly manara-penitra mbola haorina mandritra ity taom-pianarana 2018-2019 ity.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra