Kolontsaina Tapatapany

Fetin’ny mpifankatia an-kira

Hitondra hetsika miavaka ho an’ny mpifankatia ny tarika Hasina. Etsy amin’i Amitié Fandian 67Ha no fotoana hifanomezany amin’ireo mpankafy azy. Handrotsirotsy ny olona amin’ny alalan’ny hirany izy ireo mandritra ny alin’ ny alakamisy 14 febroary ho avy izao. Hakaloin’ny tarika ao avokoa ireo hiram-pitiavana maro noforoniny. Ho hita ao ohatra ny “Resy”, “Babonao”, “Tokantrano lafatra”, sy ny sisa. Ankoatra izay dia hisy mpanakanto hafa ho avy hiaraha hihira miaraka amin’ny tarika Hasina.