Tranga samihafa

Fanondranana olona Saodianina iray naiditra am-ponja vonjimaika

Voarohirohy amin’ny raharaha fandefasana vehivavy an-tsokosoko any Arabia Saodita ny lehilahy iray teratany Saodianina sy lehilahy malagasy mpiara-miasa aminy, izay voasambotry ny pôlisy, tamin’ ny alakamisy lasa teo. Noentina teny amin’ny Fampanoavana izy ireo, tamin’ny faran’ny herinandro. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay teratany vahiny.

Tratra, taorian’ny fikarohana sy vela-pandrika nataon’ny mpitandro filaminana, ilay lehilahy Saodianina, voatondro ho mpanondrana olona any ivelany. Niampy ny porofo nisamborana azy noho ny fahitana karazana taratasy maro tao amin’ny toerana fandrasaim-bahiny novantaniny teny Anosy. Sarona, nandritra ny fisavana, ny taratasy fanaovana fizahana teny amin’ny mpitsabo misy sarina vehivavy malagasy efatra ambin’ny folo sy pasipaoro dimy. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny pôlisy hatrany no nahafantarana fa tamin’ny taona 2016 no efa nivezivezy teto Madagasikara ity teratany vahiny voarohirohy ity. Manondrana tovovavy manodidina ny 23 taona hitany ao amin’ny tambajotran-tserasera any Arabia Saodita no ataony.