Sosialy

Fampianarana Hitohy ny fanomezana vatsim- pianarana avy amin’ny Maraokanina

Hitohy ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra malagasy manerana ny faritra rehetra. Nambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika Volahaingo Marie Thérèse , omaly izany nandritra ny fandraisany ny Masoivohon’i Maraoka, Mohamed Benjilany, tetsy Anosy.

Vatsim-pianarana natokana ho an’ireo mpianatra malagasy manana ny mari-pahaizana Bakalôrea izany, izay vatsian’ny Fanjakana maraokanina vola. Manodidina ny sivy ambin’ny folo ireo mpianatra nisitraka izany tamin’ny taon-dasa ary any Maraoka no mianatra izy ireo ankehitriny.

Haparitaka manerana ny faritra hafa ny fanomezana izany vatsim-pianarana izany manomboka izao, araka ny fantatra. Tsiahivina fa efa tao anatin’ny telo taona izao no nisian’ny fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana maraokanina sy ny minisiteran’ny Fanabeazana sy ny fampianarana teknika teto amintsika. Vokatr’izany fiaraha-miasa izany ny fananganana toeram-piofanana momba ny asa any Antsirabe ho an’ireo mpianatra manaraka ny lalam-piofana teknika.

Efa saika tomombana avokoa ny efitrano sy ny fitaovana amin’ity ivon-toerana ity ankehitriny fa ny jiro sy ny rano sisa no andrasana alohan’ny hisokafany amin’ny fomba ôfisialy.

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra