Samihafa

Fidorohana zava-mahadomelina Andian-jatovo noraofina tao amin’ny trano iray

Nanaovan’ny polisy misahana ny ady amin’ny zavamahadomelina hetsika manokana ny fisamborana andian-jatovolahy mpifoka rongony, teny Betongolo. Tra-tehaka tao amina trano iray malaza amin’ny fidorohana rongony ny lehilahy valo, afak’omaly antoandro. Nentina natao famotorana izy ireo ka voalaza fa samy niaiky ny fiampangana azy.

Maro ny fitarainana nataon’ny mponina eny Betongolo sy ny manodidina momba ny trano iray fifohan’ ny andian-dehilahy rongony. Nidina teny an-toerana ny polisy nanamarina ny zavanisy. Nanara-maso tsy lavitra teo ireo mpitandro filaminana. Hita ny tovolahy maromaro niditra tao amin’ilay trano. Noraisim-potsiny teo am-pifohana rongony ny fito lahy. Mpivarotra kosa ny iray sady mbola nahatrarana fonosana rongony sivy ambin’ny folo. Fantatra fa tsy ampy taona ny ankizilahy iray. Mpianatra ny roa lahy ary efa miasa kosa ireo efatra ambiny

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao