Fanatanjahantena

Basket-Fifanitsanana Baraingo ny fampiantranoana ny Afrobasket Men

Ankamantatra, hatramin’ny omaly, ny mety handraisan’i Madagasikara na tsia ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, eo amin’ny taranja Basket-ball lehilahy na ny Afrobasket Men 2021, hatao any Kigali (Rwanda). Eo am-piandrasana an’izay ho fanapahan-kevitry ny Kaonfederasiona aty Afrika na ny Fiba ny Federasiona malagasy (FMBB), amin’izao fotoana izao.

Amin’ny 27 hatramin’ny 29 novambra 2020 no tokony hanatanterahana ny fihaonana, araka ny tetiandro efa voafaritra. Miankina amin’ny fivoaran’ny valanaretina eto amintsika ny zava-drehetra. « Mandefa tatitra isaky ny 15 andro any amin’ny Fiba izahay. Fantatr’ izy ireo tsara ny zava-misy aty amintsika », hoy Ramaroson Jean-Michel, filohan’ ny FMBB. Na izany aza, voatazona aloha ireo daty ireo saingy mila fanamafisana isika mba hahafahana miomana tsara amin’ny lafiny samihafa.