Sosialy

Tetikasa « IEM » Mikasa hanangana fikambanana mpanao asa soa Rajoelina Andry

Nangataka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC) mikasika ny fahafahany manangana fikambanana mifototra amin’ny fanaovana asa soa ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.

Tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no tonga tetsy Ambohidahy io fangatahana nataony io. Tsy mbola fantatra mazava, araka izany, ny antsipiriany momba an’ity fikasan’ny Filoham-pirenena izay ilàna ny hevitry ny HCC.

Voalaza fa mifandraika amin’ny firosoana amin’ny fanatanterahana an’ireo vinam-pampandrosoana miorina amin’ny tetikasa « IEM » ny fananganana an’io fikambanana mifototra amin’ny fanaovana asa soa io. Andrasana amin’izany ny fandraisana anjara an’ireo mahalala tanana hanampy ara-bola amin’ny fanatontosana azy.