Kolontsaina Tapatapany

Mozika Jazz

Tonga indray ny sehatra malalaka ho an’ireo mpiondana Jazz etsy amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM/Gz) Analakely. Amin’ny 15 septambra ho avy izao no hifandimby amin’ireo efa andrarezina ireo tanora vao hisedra sehatra. Handray azy ireo sy hanampy ary hifampizara traikefa ny avy ao amin’ny « Jazz Club » an’ny CGM. Misokatra ho an’ny rehetra ny fifanakalozana sy ny fiakarana an-dampihazo.