Fanatanjahantena

Fiainana atleta Hiato amin’ny atletisma Razanamalala Olga

Nahavita asa ho an’ny firenena Razanamalala Olga, atleta nandrombaka medaly volamena roa tamin’ny taranja atletisma, tamin’ny Lalaon’ny Nosy 2019, tany Maorisy farany teo. Nanapa-kevitra ny hijanona tanteraka amin’ny fanatanjahantena avo lenta ity tompondakan’i Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2003 ity. “Niandry ny taom-pikatrohana ho vita fotsiny aho sisa”, hoy i Olga.

Atleta nanam-pahaizana manokana tamin’ny sedra-pifaninanana 400m sy 400m misy fefy izy. Nahita vokatra tsara hatrany izy nandritra ireo Lalaon’ny Nosy nandraisany anjara. Niambozona medaly volamena telo i Olga tamin’ny taona 2007 teto an-toerana, volamena efatra ihany tamin’ny taona 2011 tany Seisela, volamena roa sy volafotsy roa tamin’ny taona 2015 tany La Réunion. Afa-po tamin’izay vitany izy ka nilaza fa: “efa 31 taona ny tenako. Inoako fa efa mandroso taona ho amin’ity taranja ity”.

Sendra R.