Sosialy Tapatapany

Fankasitrahana mpiasa

Namory ireo mpiasa rehetra nanatanteraka ny asa fanadiovana sy fandaminana ny tanàna nandritra ny fandalovan’ny Papa Fransoa, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Nankasitrahana ireo mpiasa rehetra tsy ankanavaka, fa tsy nitsanga-menatra Antananarivo tamin’ny fandraisana ny Papa sy ireo vahiny rehetra, na ny avy any ivelany, na ny avy any amin’ny faritra, izay tonga teto an-drenivohitra.