Samihafa

Fandosirana Maty voatifitra ny lehilahy iray

Nirefodrefotra ny poa-basy tany Antanandava-Anjiajia any Ambato Boeny, afak’omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora. Voatery nitifitra ireo zandary rehefa nahita ny fitsoahan’ny lehilahy iray voasambotr’izy ireo, izay voalaza fa malaza amin’ny asan-jiolahy any an-toerana. Teny an-dalana hatolotra ny Fitsarana io olona io no namoy ny ainy.

“Notazonina tao amin’ny Zana-tobim-paritry ny zandarimaria ao Anjiajia ny lehilahy iray avy nosamborin’ireo mpitandro filaminana tamin’ny alin’ny 8 septambra teo. Nokarohina io lehilahy io rehefa nahazoam-baovao milaza fa raindahiny amin’ny fanafihana miaro vono olona any an-toerana. Nofatorana rojovy izy. Teny an-dalana efa hatolotra ny Fitsarana izy no tafatsoaka. Nampitandreman’ireo zandary tamin’ny tifi-danitra saingy tsy nijanona mihitsy na dia mbola mifatotra aza”, hoy ny ny fitantaran’ny loharanom-baovao avy any an-toerana.