Sosialy Tapatapany

Fanatsarana fitaterana

Fantatra fa amin’ny 22 septambra ho avy izao no hanombohan’ny fametrahana ny fitaovana fanarahan-dia na GPS amin’ireo taksibe amin’ny zotra D manao ny fitaterana mampitohy an’i Vassacos amin’Ivato. Hanamora ny fanaraha-maso sy ny lalana alehan’ny fiara ny fampiasana an’io fitaovana io. Ao anatin’ny telo volana no hanaovana ny andrana. Hiampita amin’ny zotra hafa, toy ny E sy ny G indray izany avy eo.