Raharaham-pirenena Tapatapany

Fananan’ny Diosezy

Ny Diosezin’Antananarivo, izay eo ambany fiahian’ny Arsevekan’Antananarivo, ny monsenera Razanakolona Odon no tompom-pahefana amin’ny fitantanana ny toerana eny Soamandrakizay, taorian’ny fanajariana an’io toerana io tamin’ny fandraisana an’ireo hetsika natrehan’ny Papa Fransoa. Io no nambaran’ny mompera Germain Rajoelison, mpandrindra lefitry ny komity nisahana ny fandraisana ny Papa Ray Masina Fransoa, tetsy Antanimena, omaly. Miankina amin’izay fanapahan-kevitr’ireo mpitantana ny Diosezin’Antananarivo ny fampiasana an’ity toerana ity amin’ny ho avy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra