Tapatapany Tranga samihafa

Fahatrarana mpangalatra

Tazan’ny mpiambina tao amina orinasa iray, teny Ambohimanarina, nitsambikina teo amin’ny tamboho ity lehilahy, tamin’ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Niantso ny polisy io mpiambina io. Folo minitra taorian’izay, tratra teo am-pibatana vy tao amin’ny orinasa ilay lehilahy mpangalatra. Nosamborina izy ary noentina natao famotorana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra