Tranga samihafa

Fahamaizana teny Ivato Nirehitra ny orinasa iray mpanao labozia

Nidona-tsetroka mainty teny Ivato, omaly tolakandro. Fantatra fa orinasa iray lehibe mpanamboatra labozia no nirehitra. Nieren-doza ny mpiasa tao amin’io orinasa io sy ny mponina teo amin’ny manodidina, araka ny tatitra avy amin’ny sampana mpamonjy voina, izay tonga namono ny afo teny an-toerana. Nisy kosa ny entana sy ny fitaovana levon’ny afo. Tsy mbola nahazoana tatitra ny momba izany.

Tsy mbola voafaritra ihany koa ny antony nihavian’ny loza. Telopolo minitra taorian’ny niatombohan’ny firehetana no nahatongavan’ny mpamono afo. Kamiao efatra no indray nahetsika nentina nanao ny asam-pamonjena. Lavitra teo ny fantsona fakana rano ka voatery naka teny amoron-drano tamin’ny alalan’ny fitaovana fitrohana rano ny mpamonjy voina.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra