Tranga samihafa

Dobo an-drano Vehivavy iray namoy ny ainy tetsy Ikopa

Nindaosin’ny fahafatesana noho ny filentehany tao anaty rano ny vehivavy iray, telo amby telopolo taona, teny amin’ny ranon’Ikopa Ankadindratombo, tamin’ny tolakandron’ny alahady lasa teo. Mipetraka eny Ankadindratombo ihany ity niharam-boina ity izay salama saina sy mpifanerasera amin’ny mpiara-monina.

Natolotra ny fianakaviana ny razana, taorian’ny fikarakarana natao azy teny an-toerana.
Ny olona teo amoron-drano no nahita ny filentehan’ilay vehivavy tao anaty rano. Tsy nipoitra intsony izy segaondra vitsy nilatsahany tao. Nantsoina haingana ny avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina mpisitrika anaty rano tamin’ny fikarohana an’ilay vehivavy. Naharitra minitra maromaro ny fikarohana saingy efa ny vatana mangatsiaka sisa no nakarina avy tao anaty rano.