Raharaham-pirenena Tapatapany

Tsy mihemotra

Nohitsian-dRakotomanana Hery, Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) fa tsy maintsy tontosaina araka izay voalazan’ny Lalàm-panorenana sy ny lalàna mifehy ny fifidianana filoham-pirenena. Nambarany anefa fa tokony hiaraka hisalahy amin’ny fametrahana ny fitoniana eto Madagasikara ny rehetra mba hahatomombana an’izany an-tsakany sy an-davany. Nisy ny atrikasa manokana notanterahin’ny Ceni niaraka tamin’ireo manam-pahaizana manokana avy amin’ny vondrona Sadc, omaly.