Kolontsaina

SANTA-BOKATRA Namoaka ny “Ataoko afa-po” ny tarika G5

Tarika niforona tao anatin’ny fifaninanan-kira. Nampahafantarina tamin’ ny sabotsy tolakandro lasa teo fa nikopak’elatra ary nivoaka amin’ny maha izy azy amin’izay ny tarika
G 5, ahitana an’i Tojo, Mahery, Larry, Baggio ary i Nathan Gabri. Voaporofo izany tamin’ny seho andran-tsira nataon’izy ireo tetsy amin’ny Arena Ivandry ka nampahafantaran’izy dimy mirahalahy ilay rakikira vaovao « Ataoko afa-po».

Hita taratra nandritra ny fampisehoana ny traikefa efa azon’izy ireo tao anatin’ny roa taona latsaka, ka nahafahany nifehy tamim-pahasahiana ny sehatra. Santionan’ireo hira telo ambin’ny folo mandrafitra ny kapila mangirana nahafantarana azy ireo sy noentiny tamin’ny fampi-sehoana ny « Ataoko afa-po». Anisan’ny nampitehaka ny maro ary tsikaritra fa tena nandrasan’ny rehetra tao amin’ny efitrano ny niangaliany ny «Love loatra». Karazana gadon-kira ifangaroana mozika maromaro no entin’ny tarika ao anatin’ny «Ataoko afa-po» ka nahavariana ireo mpijery maro nanotrona azy.